Salade de concombre et de melon
25 novambra 2020

Anisan’ny tena manahirana antsika ny mitady hoe inona indray ny sakafo ho karakaraina anio. Amin’izao andro mafana izao, maro azo hisafidianana ny legioma sy ny voankazo eny an-tsena. Andao ary androany mba miova kely amin’ny mahazavatra, ka hikarakara « salade de concombre et de melon ». Sakafo mora atao sady tsy mandany fotaoana.
Inona avy ireo ankora ilaina ?
Sakafo ho an’ny olona roa na telo eo no vitan’ireto fangaro ireto.
Fangaro ilaina :
- Kaokaombira lehibe iray
- Atsasaka « melon » masaka tsara
- 75 g fêta na fromage grec
- Varina solila vitsivitsy
- Menaka oliva
- Sira sy poivre
Ahoana ny fomba fikarakarana azy ?
Anisan’ny sakafo tena mora karakaraina izy io.
- Sasao tsara ny kaokaombra, melon, sy ravina solila
- Esory ny voa an’ilay melon sy kaokaombira ary tetehina atao en « dés » avy eo. Mba ahamora ny fanapahana ny melon dia silahana manaraka ny alavany izy aloha, izay vao atao « en dés »
- Atsika ny ranon’ilay « fêta » dia avy eo tetehina mitovy amin’ilay kaokaombra sy mélon
- Tetehina madinika ny ravina solila
- Atao ao anaty « saladier » daolo ireo fangaro efa voatetika, dia rarahina menaka oliva kely, sy asiana sira sy poivre.
- Saromana tsara dia apetraka amin’ny toerana mangatsitsika mamdrapihinana azy
Inona avy ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinana kaokaombira sy « melon » ?
Amin’izao vanin-potoana izao dia mila rano betsaka ny vatantsika, ankoatran’ny fisotroana rano matetika dia manampy ny vatana mba hi-« s’hydrater » ny fihinana ny « melon » sy kaokaombira. Noho izy ireo anisan’ny zavamaniry be rano. Ankotran’izany anefa dia maro ny zavatsoa azo avy amin’ny fihinanana azy ireo. Raha ho an’ny olona mitaiza vatana na koa hoe manao « régime » dia tsara tokoa izy ireo satria tsy dia be « calories » loatra. Na ny « melon » na ny kaokaombra dia mampihena ny taha mety ahazoana ny cancer. Ny « melon » koa dia manampy ny vatana amin’ny ady amin’ny « hypertension ». Io voakazo io dia manankarena vitamina A izay manampy ny sela amin’ny vatana hihavao hatrany. Ny kaokaombira kosa dia ahitana « potassium, magnésium sy fibre » natoraly izy mananpy betsaka amin’ny fanenana ny « tension arterielle ».