Amin’ny fomba ahoana ny ahazoana menaka amin’ny vahona mba hampaniriana ny volo ?
10 novambra 2020

Maro amintsika no sahirana amin’ny resaka volo, indrindra raha mba te hanana volo lava nefa manana ilay karazana vola sarotra maniry. Ao ny mety efa mandany vola tamin’ny fampiasana ireo karazana vokatra mety ho hita eny amin’ny mpivarotra mba hampaniriana haingana ny volo nefa tsy nahita vokany. Ny vahona dia isan’ireo vokatra natoraly fampiasatsika vehivavy hikarakarana vatana sy tarehy ary tena ahitana vokatsoa tokoa. Azo ampiasaina amin’ny volo ko aizy io mba hampaniriahana azy.
Ny fangaro ilaina ahazoana menaka avy amin’ny vahona
Ireto avy ny zavatra ilaina mba ahazoana ilay menaka :
- Menaka azo avy amin’ny vaonio tsy misy fangarony iray kaopy
- Ravina vahona iray izay efa no sasana tsara mba ialan’ilay dity mavomavo iny izay misy poizina
Ny fomba fikarakarana ireo fangaro ireo mba ahazoana menaka
Mba ahazoana ilay menaka dia ireto avy ny dingana arahina :
- Tetehina ilay ravina vahona
- Arotsaka ao anaty vilany ny vahona efa voasilaka sy ny menaka vaonio, ary atao eo ambony afo malefaka
- Tsara ny manamarika fa tsy tokony angotraka mihitsy ireo fangaro ireo, noho izany dia tsy hajanona ela eo ambony afo malefaka izy io. Tsy atao mihoatra ny dimy amby folo minitra ny fotoana hipetrahany eo amin’ny afo
- Rehefa afaka izay fotoana izay dia avela hipetraka mandritra ny andinin’ny valo ka hatramin’ny folo eo ilay izy
- Avy rehefa afaka io fotoana nipetrahan’io dia esorina ireo vaingana vahona ka ny menaka ihany no atao ao anaty « bocal ». Tsara raha « bocal » vita avy amin’ny vera no ampiasaina hitahirizana azy
Ny fomba fampiasana ny menaka azo avy amin’ny vahona
Mba ahazoana vokatra haingana dia tsara kokoa raha arahina tsara ity fomba fampiasana azy ity
- Azo ampiasaina foana ilay menaka, nefa kosa tsara raha amin’ny volo mandomando no atao izy
- Asio « goutte » maromaro ny felatananao, ary ataovy amin’ny volo ary somary orina kely no hodi-doha
- Azonao atao koa ny mampiasan’ireny « compte-gouttes » ireny mba afahanao mahafantratra ny fantran’ny menaka tena mety amin’ny volonao
- Tsara ny manamarika fa tsy voatery atao feno an’ilay menaka ny volo, nefa kosa raha tianao hangirana ny volo, dia azonao atao tsara ny manao azy amin’ny volonao rehetra