Iza moa i Kamala Harris ?

Ankotran’ny aretina Coronavirus dia anisan’ny vaovao malaza manerantany ny fifidiana tany Etats-Unis any Amerika. Tamin’izany fifidiana izany indrindra no nahalany an’i Joe Biden ho filoha amerikany ao Etats-Unis, ka nahatonga an’ny Kamala Harris ho vehivavy voalohany ho filoha lefitr’io firenena lehibe io. Fa iza moa i Kamala Harris, ary inona avy ireo andraikitra raisiny amin’ny maha filoha lefitra azy ?

Tantaram-piainany Kamala Harris ?

Zanaka vavin’i Donald Harris ekonomiste tera-tany jamaïkanina et Shyamala Gopalan biologista ary « oncologue » izay tera-tany indianina. Izy dia teraka ny 20 oktobra 1964 tao Oakland Amerika. Manana ny diplaoma amin’ny « sciences politique » sy ny lalàna, ary tafiditra tao amin’ny « barreau » an’ny Californie. « Procureur adjoint d’Alameda » no asany voalohany. Taona maromaro taty aoriana dia lasa filohan’ny « Assemblée de l’Etat » any Californie izy ary avy eo dia tale an’ny departemanta ny fanadihadiana heloka bevava. Ny taona 2004, izy dia nandresy tamin’ny fifidiana ho « Procureur » tao San Francisco, ka nahatonga azy ho vehivavy voalohany teo amin’io toerana io. Ary efa « Procureur général » tao Californie koa izy ny taona 2011 sy 2014. Niditra teo amin’ny sehatry ny politika koa i Kamala Harris ka efa senatera voafidy tamin’ny taona 2016 ary nanao ny fihanihanany tamin’ny volana janoary 2017.

Raha ny fiainany nanokana indray no atao indray dia manambady ny mpisolo vava Douglas Emhoff izy ny taona 2014.

Inona avy ny andraikitry ny filoha lefitra izany ?

Alohann’ny hijerevantsika ny andraikitrin’ny filoha lefitrin’ny Etats-Unis dia tsara ho fantarina hoe olona toy inona no azo fidiana sy hapetraka amin’io toerana io. Ireto avy ireo fepetra ireo :

  • Olona teraka teratany amerikanina ary feno dimy amby telo polo taona farafakeliny
  • Efa monina tao Etats-Unis nandritran’ny efatra amby folo taona raha kely indrindra
  • Azo ho fidiana ho filoha pirenena arakiny voafaritry ny XXe « amendement »

Maro ny andraikitra sahanin’ny filoha lefitra ny Etats-Unis, voalohany amin’izany ny maha loa lisitra eo amin’ny fanoloana sy fandimbiasana ny filoha pirenena raha ka mampetra-pialana amin’ny toerana ity farany, na misy tsy fahafahany, na koa sanatria maty izy. Mitana ny andraikitry ny mpanolo tsaina ny filoha pirenana ihany ko izy ary misolo tena ny filoha amin’ny andraikitrta maro izay sahaniny. Mitana ny andraikitra ny maha filoha « ex officio » ny Sénat ihany koa ny filoha lefitra, io andraikiny io dia manone azy ny fahefana hifidy raha toa ka misy fitovian’isa mba ialana amin’ny fitarazoan’ny asa.