Ireo toerana manan-tantara eto Antananarivo

Maro amintsika no manana fahazarana hoe rehefa tonga ny faran’ny erinandro de mandeha misitaka kely miala ny renivohitra.  Fotoana iray ahafahana miala sasatra kely sy hiarahana amin’ny namana na ireo ny fianakaviana. Maninona moa raha mijanona eto ihany dia mba mitsidika ary miezaka mamantatra ny tantaran’Antaninarivo sy ireo toerana manan-tantara ao aminy.

Ireo tendrobohitra roa amby folo masina eto Antananarivo

Tamin’ny faran’ny taonjato faha valo amby folo, Andrianampoinimerina dia naniry ny ampivondrona ho iray ny fanjakan’Imerina, ka nametraka lapa misy ny vadiny isak’ireo tendrobohitra ireo. Ireo tanana ireo dia vahadidina hadyvory, ary ahitana vavahady vato, ao ihany koa no misy ny rova sy ny fasanan’ny mpanjaka. Ireto avy ireo tendrohitra masina ireo :

  • Ambohimanga
  • Ambohitrabiby
  • Alasora
  • Ilafy
  • Ambohimanambola
  • Ambohidratrimo
  •  Antsahadinta
  • Imerimanjaka
  • Ampandrana (izay misy ny lapan’ny Iavoloha)
  • Kaloy
  • Atongona
  • Analamanga

Ny rovan’Ambohimanga

Io rova io dia voasokajy ho lova iraisam-pirenena ny UNESCO sady mitahiry ireo lova sarobin’Imerina. Izy io dia voadidina tamboho mafy horina sy hady, ao ihany no misy trano nitoeran’i Andrianampoinimerina. Mbola hita ao amin’io trano mandrak’ankehitriny ireny fitaovana nampiasain’ny mpanjaka fahizay.

Ny rova Manjakamiadana sy Besakana

Tao aorinan’ny fanokana ny lapan’ny Besakana sy  Manjakamiadana nohon’ny fahavitan’ny fanambaorana sy fanavaozana azy ireo, dia miverina misokatra ho an’ny olona rehetra ny lapa nanombaka tamin’ny 09 novambra lasa teo. Tao no nitoeran’ireo mpanjaka teo Madagasikara fahiny. Lapa vita tamin’ny hazo tamin’ny nitondran’i Ranavalona I tamin’ny taona 1837 ary vaorakotra vato ny taona 1867 tamin’andron’i Ranavolana II ka James Cameroun no nanao azy.

Ny musée an’ny sary

Ny musée an’ny sary eny Anjoy eny amin’ny tanana ambony dia notokana tamin’ny febroary 2018. Afaka mahita ny tantaran’ny Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiratiana sy efitra mijerena horonantsary. Azonao atao koa ny miala sasatra kely sy misakafo eny an toerana satria misy ny toerana efa vaotokana amin’izany eny.

Ny tsenan’Antananarivo

Raha miresaka an’Antananarivo dia ao antsaina avy hatrany ny tsenan-zoma fahiny teo Analakely. Efa nisy hatran’ny vanin-potaonan’ny faha mpanjaka izy ka nivarotana entana maro isan-karazany toy ny akanjo, lamba, satroka, fitaovana ampiasaina ao antrano, ireo legioma isankarazany sy ireo vaonkazo.