Ireo fambara halalana fa mitondra vohoka
16 janoary 2021

Mety misalasala ianao na te ahalala raha mitondra vohoka marina. Ireto misy fambara ahamatarana izany.
Tsy tonga ny fandimbolana
Fambara iray voalohana ny tsy fahatongavan’ny fandimbola, ary tsy miverina intsony raha tsy fotoana maharitra aorian’ny fiterahana indray. Raha toa ka misy ny fahataran’ny fadimbolana, dia efa azo atao tsara ny manao « test de grossesse » hanamarina fa mitondra vohoka marina.
Ny fahataran’ny fandimbolana anefa dia tsy voatery fa vohoka foana. Misy ireo antony hafa mety hiteraka izany :
- Fahatarana na tsy fisian’ny fotoana naha lonaka, izay vokatry raritsaina na « stress ». Ny ankizivavy tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy mananika ny faha 45 taona matetika no voakasik’izany.
- Eo ihany koa ny fampiasana fananabeazanaizana
Ankoatra izay, misy ihany koa ireo singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivavy iray.
Mitombo sy maharea maharary amin’ny nono
Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray, dia misy fiovana eo amin’ny vatany. Isan’izany ny fiakaran’ny tahan’ny tsirimpanentana ka mahatonga ny nono ho maharary sy mitombo.
Izay fiakaran’ny tsirimpanentana izay koa anefa no mahatonga ny handenesan’ireo vehivavy sasany fahararian’ny nono alohan’ny fahatongavan’ny fadimbolana. Koa mety mahatonga fifangaroana izany.
Tsy ampy noho izany raha no fararian’ny nono ihany dia anambarana fa tokony iaraka ireo fambara hafa.
Te handoa na mahare maloiloy
Vao tara ny fadimbolana dia mahatsiaro maloiloy na koa tena mandoa mihitsy. Miankina ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay anefa ny fisehony : misy andro vitsivitsy ihany dia ho tapitra io fotoana mahaloiloy io, misy koa anefa maharitra hatramin’ny fahatelo volan’ny kibo. Raha toa ka mbola maharea izay maloiloy izay nefa efa mihotra ilay telo volana, dia tsara raha manatona mpitsabo hanamaivana izany.
Miakatra ny hafanan’ny vantana
Ho an’ireo manana fahazarana maka marimpana dia moramora kokoa ny ahitana ity fambara iray ity.
Tsara raha marihina isan’andro ny hafanan’ny vantana amin’ilay vao mifoha mbola eo am-pandriana iny. Miakatra mantsy ny hafanana rehefa lonaka ny vehivavy :
- Midina anefa io hafanana io mandrampatongan’ny fadimbolana raha tsy bevohoka koa miverina amin’ny hafanan’ny vatana mahazatra ihany.
- Tsy milatsaka intsony iny hafanana izay hita fa niakatra iny raha toa ka mitondra vohoka, noho ny fiakaran’ny tahan’ny tsirimpanentana progesterona ao anatin’ny vehivavy rehefa mitondra vohoka.
Marihana fa mety samy hafa ireo tranga hamantarana fa mitondra vohoka eo amin’ny vehivavy tsirairay.
Mbola tsy vonona ny hiteraka ?
Fantaro ireo fomba fanabeazana aizana azonao ampiasaina.