Test de grossesse : rahoviana ary ahoana ny fampiasana azy
30 jolay 2021

Miseho avokoa ireo fambara fa mitondra vohoka, mbola misalasala anefa ianao ka te hanamarina ianao raha miteojaza tokoa na tsia. Ny « test de grossesse » no fitaovana ampiasana azo antoka hanamarinana izany.
Aiza no vidiana ny « test de grossesse » ?
Vidiana eny amin’ny fivarotam-panafody ny « teste de grossesse ». Ahitana karazany maro ary miovaova arak’izay ny sarany izay miatomboka amin’ny 3.500 Ar. Na dia maro karazana aza ny « teste de grossesse », saika mitovy avokoa ny fomba fampiasa azy ireny.
Rehefa inona ny « test de grossesse » no tokony ampiasaina ?
Rehefa misy fahataran’ny fadimbolana ka nisy firaisana ara-nofo tsy voaaro. Raha toa ka nisy fahatarana ny fadimbolanao nefa tsy nisy firaisana dia vokatry ny fikorontanan’ny tsirimpanentana ihany izany ka tsy tokony hampiahiahy.
Vantany vao misy fahatarana ny fadimbolana dia efa azona atao ny mampiasa ny « teste de grossesse ».
Ny fomba fampiasa « test de grossesse »
Rehefa azo ary ilay « teste de grossesse » dia tahaka izao ny fomba fampiasa azy :
- Maka santionana pipy amin’ilay vao mifoha maraina mbola tsy nisakafo no tsy nisotro rano na zavatra hafa ao anaty fitoerana yaourt na izay afaka hitatazana azy.
- Rehefa azo izay dia atsangana tsara ao an’ilay nanangonana santionana pipy ilay « teste de grossesse », ferana tsy ihotra an’ilay tsipika(flèche) kosa anefa.
- Afaka sengondra vitsivitsy dia esorina ilay « teste de grossesse ».
- Misy tsipika hipotra aveo ary 2 no heviny :
- Raha tsipika mena roa(2) dia mihabo (positif) no valiny, izay midika fa mitondra vohoka tokoa ianao.
- Ny tsipika iray(1) dia midika fa mihiba (négatif), izay manambara fa vokatry ny fikorotanana ihany no mahatonga ny fahataran’ny fadimbolana.
Fanamarihana
- Mety manana ny mampiavaka azy ny « teste de grossesse » tsirairay, tsaratsara kokoa noho izany ny manontany famasianina na mamaky ny fomba fampiasana azy raha toa ka misy mpisalasala anao.
- Raha toa ka mbola tsy vonona ny hitondra vohoka ianao dia fantaro ireo fomba fanabeazana aizana.