Fantatro ve ny « Alopécie »
25 novambra 2020

Faritra iray hitan’ny olona voalohany eny amin’ny vatana ny volo, ary anisan’ny tena andanin’ny vehivavy ny volany sy ny fotoanany ny fikarakarana azy io, indrindra rehefa tena mihintsana be. Maro ny antony mety mahatonga izany fihintsanana izany. Handao fantariny ireo antony mahatonga izany sy ireo zavatra hatao mba hitsaboana io fihitsananan’ny volo.
Inona ny atao « Alopécie » ?
Mety hoe vaovao amintsika ilay teny « Alopécie » izay voambola siantifika milaza ny fihitsanan’ny volo amin’ny hampahany na koa izy rehetra. Matetika dia ny lehilahy no isehoan’ny tranga io, nefa mety ho voan’io ihany ny vehivavy. Ny olona efa somary nahazo taona no teo mazana tratrany.
Inona ny antony mety mahatonga ny « Alopécie » ?
Raha efa tarazo avy amin’ny ray aman-dreny ilay fihitsanan’ny volo dia antsoina hoe « alopécie androgénétique ». Ao ihany koa ny fihitsanan’ny volo vokatran’ny « influence » eo amin’ny hormonina lahy. Ankoatran’ireo dia mety ho vokatran’ny rarin-tsaina, ny « chimiothérapie », sy ny « radiothérapie » ihany koa ny « alopécie ». Ny tsy fahampian’ny « fer » eo amin’ny vatana dia mahatonga tsy fisian’ny na tsy ampy ny rivotra ao anaty ka mahatonga ny volo ho tapatapaka sy mihintsana.
Inona no atao mba hisoroana ny « alopécie » ?
Ireto misy torohevitra vitsivitsy hafahana misorika ny fihitsanan’ny volo :
- Mila manasa loha matetika, mba in-droa isankerinandro ohatra
- Tsy dia tsara loatra ny fampiasa rano mamay be rehefa manasa loha
- Aza dia mampiasa produits chimique be loatra, ohatra hoe tsy tokony atao matetika ny mandoko volo
- Aza mampiasa « sèchoir » mba hanamainana volo na raha toa ka tsy maintsy mampiasa dia azo ato mamay be ary tsy tokony atao akaiky ny loha loatra
- Aza fatorana mafy loatra ny volo rehefa mamatotra azy
- Mila mihinana sakafo misy calcium, silicium, fer, zinc, vitamina B ary acides gras. Ireto misy sakafo mety ahitana ireo singa ireo : tamenaka atody, vaomaina, akondro, …
Inona ny atao mba hitsaboana ny « alopécie » ?
Misy ny fanafody azo ampiasaina mba ahafahana mampihena ny fihitsanan’ny volo, tohin’ny « comprimé » miady amin’ny volo mihintsana, ohatra amin’izany ny Alpharegul sy ny Viviscal. Raha tao ka misafidy ny ampiasa fanafody ianao dia tsara kokoa raha maka ny hevitry ny mpitsabo anao. Azo atao ihany koa ny manao ny aromathérapie hiadiana amin’ny fihitsananan’ny volo. Ireto misy karazana menaka azo avy amin’ny zavamaniry afaka afangaro amin’ny savony fanasanao loho :
- Ny menaka azo avy amin’ny romarin
- Ny menaka azo avy amin’ny voasary makirana
- Ny menaka azo avy amin’ny « Tea Tree »