Ny MAMA
06 janoary 2023

MAMA na « Méthode d’Allaitement Maternel et Aménorrhée », raha adika tsotsotra dia fomba fanabeazana aizana amin’ny fomba fampinonoana sy ny tsy fahatongavan’ny fadimbolana. Ny vehivavy vao teraka vao aingana ka mampinona ny zanany amin’ny nono-dreny ihany fa tsy nisy fangarony ka mbola tsy niverina ny fandimbolanany no afaka mampiasa ity fomba fanabeazana aizana ity. Tsara ho fantatra fa ny hormonina mamokatra ny rononon-dreny dia manakana ny « ovaire » tsy hamoaka ny atody ao anatin’ny enin-bolana aorian’ny fiterahana.
Inona avy ireo mason-tsivana ahafahana mampiasa ny fomba fanabeazana aizana MAMA ?
Ny MAMA dia azo ampiasain’ny reny izay mamaly ireto fepetra manaraka ireto :
- Vao avy niteraka tao anatin’ny enim-bolana, ka raha vao mihoatra ny faha enim-bolana dia tsy mandaitra intsony,
- Tsy mbola tonga fadimbolana tao aorian’ny nahaterahany,
- Ny nonon-dreny ihany no homeny ny zanany ary manao izany farafahakeliny isaky ny adiny efatra mandritra ny andro ary isaky ny adiny enina amin’ny alina.
Tena mahahomby ve ny fomba fanabeazana aizana MAMA ?
Mandritra ny enim-bolana ao aorian’ny fiterahana dia afaka misoroka ny fitondrana vohoka 98% ny fomba fanabeazana aizana MAMA.
Inona avy ireo tombontsoa azo amin’ny fampiasana ny fanabeazana aizana MAMA ?
- Ny MAMA dia voajanahary,
- Tsy manelingelina ny fampinonoana ny fanabeazana aizana MAMA,
- Tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny MAMA noho izy fanabeazana aizana natoraly.
Inona avy ireo mety ho fanelingelenana mety hiseho amin’ny fampiasana ny fanabeazana aizana MAMA ?
- Ny MAMA dia fomba fanabeazana aizana fohy,
- Vao feno enim-bolana ny zaza na koa vao miverina ny fadimbolana dia mandaitra tsony ny MAMA,
- Ny fanomezana sakafo fanampiny (alimentation d’appoint), ny famoahana ny ronono sy ny fanomezana sakafo dia mampihena ny fahombiazan’ny MAMA.
Tsara marihana fa tsy misy voka-dratsy ny fanabeazana aizana MAMA.