Ny fanisana andro

Ny fanisana andro dia fomba fandrindram-piterahana ara-boajanahary izy mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka ny vehivavy. Ho jerentsika ireo vokatsoa sy ny mety vokadratsy hateraky ny fanisana andro raha toa hisafidy ity fomba fandrindram-piterahana ity.

Ity fomba iray ity dia miompana amin’ny fahafantarana ny fotoana na ny andro mety mahalonaka ny vehivavy mandritra ny tsingerin’ny fadim-bolany. Ny fahafantarana io vanin-potoana io dia ahafahana misoroko ny fitondrana vohoka na koa hampitomboana ny vintana raha te hitoe-jaza.

Raha ampiasa azy mba entina hisoroana ny fitondrana vohoka dia tsy tokony hanao firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana maha lonaka ny vehivavy isam-bolana. Ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy dia manodidina ny faha-14 andro alohan’ny ahatongavan’ny fadim-bolana no mamoaka atody ny « ovaire ». Na dia fantatra aza fa tsy afaka miaina afa tsy 12 ora ny « ovule non fécondé » dia tsara ny mahalala fa ny tsirinaina dia afaka miaina mandritra ny 5 andro. Noho izany dia mety ho vokatry ny « fécondation » izay nitranga tao anatin’ny 5 andro nialohan’ny « ovulation » na tamin’ny fotoanan’ny « ovulation ».

Iza avy ireo afaka mampiahatra ny fanisana andro ?

  • Ireo vehivavy manana tsingerimbolana 26 hatramin’ny 32 andro,
  • Ireo olondroa mahafehy tena tsy hanao firaisana ara-nofo tsy voaaro mandritra ny fahavalo (8è) hatramin’ny fasivy amibin’ny folo (19e) andron’ny tsingerimbolana, ilaina noho izany fampiasana fimaiko mandratra io fotoana io.
  • Ireo olondroa samy mahatoky fa tsy atahorana ifandran’ny aretina azo avy amin’ny  firaisana ara-nofo.

Ireo antony mety mahasarotra ny fanisana andro :

  • Ny ankamaroan’ny vehivavy dia tsy tena mifanaraka ny tsara ny fitsingerenan’ny fadim-bolana any ka nanasarotra ny fampiasana ny fomba fanisana andro satria tsy fantratra ny fotoanan’ny « ovulation ».
  • Tsy maintsy fifanaraka ny mpivady ny tsy hanao firaisana ara-nofo tsy voaaro mandritra ny fotoana mahalonaka na koa hisafidy ny hampiasana fomba hafa ho fanampiny.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana ny fanisana andro

  • Ny fampiasana ny fanisana andro dia eo ambany « contrôle » ny vehivavy,
  • Tsy misy sarany ny fampiasana azy ary mety amin’ny fotoana satria misy foana,
  • Tsy manelingelina ny firindran’ny hormonina sy ny fotoanan’ny fadim-bolana na ny fikorianan’ny ra,
  • Mamporisika ny vehivavy ahafantatra ny toe-batany sy tsingerin’androny,
  • Mampisy fifandraisana tsara kokoa eo amin’ny mpivady,
  • Afaka mampiasa azy daholo ny olona manana olana ara-pivavahana na ara-moraly momba ny fomba fandrindram-piterahana hafa.

Ireo vokadratsy mety ho hateraky ny fampiasana ny fanisana andro

  • Raha ampiasa ny fomba fandrindram-piterahana fanisana andro de mila mandinika aman-bolana maromaro ny fitsingerenan’ny fadimbolana vao afaka mampiatra ity fandrindram-piterahana ara-boajanahary ity,
  • Raha vao tsy ara-dalàna ny fiverenan’ny fadimbolana dia tsy mety ny mampiasa ny fanisana andro,
  • Ny fiseohan’ny tranga maro samihafa tahaka ny asa be loatra, adin-tsaina, aretina, rari-tsaina dia matetika misy fiantraikany eo amin’ny halavan’ny tsingerin’ny fadimbolana, ka mety ampikorotana ny fanisana andro,
  • Tsy tsara ampiasaina loatra ny fanisana andro mandritra ny vanim-potoana izay mety miteraka fanelingelenana amin’ny fintsingerenan’ny fadimbolana (ireo volana voalohany aorian’ny fiterahana, aorian’ny fanalan-jaza, mandritra ny fotoana fampiononana, rehefa manaiky ny fotoana ny « ménopause », aorinan’ny fampitsaharana ny fandrindram-piterahana « hormonale », ….).
  • Tsy miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy VIH/SIDA